Actualités

Fankalazana ny 29 martsa Nilamina ny teto Andrenivohitra


  • Zoma 30 Martsa 2012

Maro tamin’ny mponin’Antananarivo no nanahy mafy ny fandriam-pahalemana omaly ka maro ireo nanapaky ny hanidy tsena sy hijanona an-trano.

 Samy mba nanao ny fihetsiketsehana sy fisehosehoana mahazatra avokoa mantsy ny mpanao politika ka nanahy ny be sy ny maro ndrao hifampikatroka an-dalam-be indray ka hisy ny fanararaorana hataon’ny mpandroba sy ny tsy mpanendaka. Na izany aza anefa dia tsikaritra fa nizotra tamim-pilaminana ny fankalazana nandritry ny andro manontolo ary tsy dia navesatra ny fifamoivoizana raha oharina amin’ny andavanandro. Saika nahitana mpitandro filaminana avokoa ny faritra rehetra nanodidina an’Ambohijatovo, Analakely , Anosy, Ambatonakanga sy ireo faritra mafampana ary tsy nisy ny fanimbana ireo fananana iombonana. Saika nisy mpitandro filaminana sy polisin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (police communale) mandamina ny fifamoivoizana ihany koa ny arabe teto andrenivohitra ka mety ho izay no tsy nandrenesana fanendahana be loatra tetsy sy teroa. Ankoatra ireo miaramila raofina amin’ny kamiao mahazatra rehefa misy hetsika politika atahorana moa izany. Rehefa faran’ny volana tahaka izao mantsy dia mirongatra ny mpanendaka sy ny sinto-mahery etsy sy eroa. Efa niomana mialoha tamin’ny fandaminana sy ny fiarovana ny aim-bahoaka manoloana ny fankalazana ny 29 martsa mantsy ny kaominina Antananarivo ary efa nivonona tamin’izay tranga tsy ampoizina. Isan’ny nahita faisana kosa ireo rehetra tsy nanara-dalàna omaly, na ny mpamily fiara izany na ny mpitondra moto.

Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT