Actualités

Fanjifana zava-maneno Tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ny tsena


  • Zoma 30 Desambra 2022

Mikaikaika avokoa ireo tranombarotra mivarotra zava-maneno eto an-drenivohitra.Nihena be mihitsy mantsy ireo mpanjifa izany raha oharina tamin’ny taon-dasa raha araka ny fanadihadiana natao.

Raha ny volana Novambra mialohan’ny fetin’ny Krismasy dia efa tsy maharaka intsony ireo mpivarotra noho ny hamaroan’ny mpiantsena dia mifanohitra amin’izay tanteraka amin’izao ankatoky ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Ireo olona tonga manontany no betsaka. Na mividy aza hoy ny mpivarotra iray dia mahavita miady varotra hatrany amin’ny antsasany mihitsy nefa mbola amin’ireo karazany somary mirary ihany koa ny vidiny. Midoika izany hoy ny mpivarotra iray fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Izay ahitana ny hanin-ko hanina isan’andro sisa no tena imasoany fa ny ankoatra izay tsy misy intsony. Ankoatra ireo mpivarotra zava-maneno moa dia mitaraina ho tsy misy tsena intsony ihany koa ireo mpivarotra fanaka eto an-drenivohitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT