Actualités

Fanjakana Tsy atahoran’ny olona intsony


  • Zoma 08 Martsa 2013

Ny zava-nitranga tany Mandritsara farany teo dia toa manaporofo hatrany fa miha tsy matoky ny fanjakana, ny vahoaka ary efa manomboka tsy matahotra fanjakana.

 Tsy azo noeritreretina mihitsy mantsy tamin’ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka na tamin’ny fitondran’ny Profesora Zafy na nandritra ny fitondrana Ravalomanana izany hoe : sakanan’ny olona ka tsy avelan’izy ireo mandeha ny fiaramidina na fiara mitondra minisitra. Tamin’ny 2009 teny amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena Ampahibe no niseho voalohany io fandavana ny baikon’ny lehibe io. Dia rehefa nitranga moa ilay fanonganam-panjakana sy ny fihetsika nataona andiana miaramila teny amin’ny Episcopat Antanimena sy tany amin’ny Capsat, dia niha nahazo vahana teto amintsika ilay kolontsaina tsy matahotra fanjakana sy ny fahasahiana mandika lalàna tsotra izao. Niha nahazo vahana teto, tato anatin’ny efa-taona izao ny fitsaram-bahoaka, sy ny olona mikasa ny hanao fitsarana izy tenany, fa tsy miandry ny fitsarana mahefa.

Tsaroana ny zava-nitranga tany Toliara tamin’ny 09 desambra 2011 ka namonoana andiana polisy mpitsara am-perinasa sy nanafihan’izy ireo ny fonja tao Toliara. Efa nisy tarehin-javatra mitovitovy tamin’izany koa nitranga tao Mananjary sy Antsapanimahazo Faratsiho, izao dia mitady hanao fitsaram-bahoaka koa ary efa nanafika fonja ny mponina tany Mandritsara ary tsy nety nalamin’ireo minisitra tonga tany, fa ireto farany indray aza no saika nidiran-doza. Niteny omaly ny jeneraly misotro ronono Guy Ratrimoarivony fa tena miha “very hasina ny fitondram-panjakana eto Madagasikara”. Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony maro, izay fantatry ny mpitondra tetezamita tsara ary tsy miafina amin’ny olom-pirenena tsirairay avy. Maro ny manampahefana hita mibaribary fa nanan-karena tampoka ary tsy menatra manorina tranobe etsy sy eroa kanefa ny vahoaka miha mahantra, firifiry ny olona fantatra fa tena mpisoloky mpangalatra, mpanao trafikana harem-pirenena, saingy tsy voakitikitika ary na dia tonga eny amin’ny fitsarana aza dia toa afaka madiodio. Namono mpitandro filaminana sy vahoaka Remenabila, fa hatramin’izao tsy hita ary na ny “Opération Tandroka” aza najanona. Ny jiolahy manafika isan’andro manao fanamiana miaramila sy zandary mitondra basy Kalachnikov sy “Pistolet Automatique”, izay tokony ho ny mpitandro filaminana ihany no manana azy. Tsy hay intsony na jiolahy manao fanamiana miaramila no manafika, na misy amin’ny miaramila sy ny zandary mihitsy ary polisy no nivadika ho jiolahy; ka ahoana moa no mbola hatoky fanjakana amin’izany tranga hafahafa rehetra izany ny olona ? Tsy mahavita mifehy ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo ny fanjakana kanefa mailaka ery misambotra ny mpanao fihetsiketsehana an-dalambe, izay vahoaka tsotra tsy manana fitaovam-piadiana fa tanam-polo. Tena zava-doza ho an’ny firenena izany hoe vahoaka tsy matoky fanjakana izany. Mila irosoana ny fifidianana, hoy ny jeneraly Guy Ratrimoarivony hamerenana ny hasin’ny fanjakana, hanorenana tanindrazana tsara fototra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT