Actualités

Fanjakana sy haino aman-jery tsy miankina Hifampitady eny amin’ny « Conseil d’Etat »


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Namoaka fanapahan-kevitra iraisana na "Décision interministérielle" ny Fanjakana ny 22 aprily teo,

 

 

 

 mandrara mandritra ny hamehana ny hetsi-bahoaka, ny fandaharana sy famakafakana ara-politika amin'ny fahitalavitra sy onjam-peo misy antso an-tariby an'ny mpihaino ny Fanjakana. Ambara fa mety hitondra fanohintohinana ny filaminam- bahoaka sy hitarika savorovoro politika ary manohintohina ny firaisam-pirenena izy ireny. Raràna ny fandefasana izany amin'ny faritra Analamanga, Antsinanana, Boeny, SAVA, Sofia. Fandaharana maro no voatonona: Miara-manonja (Mbs, Az, Soa radio), Kapotandroka (I-BC), Invite du Jour (Real TV), Ça me dit (Rta), Don-dresaka (Tv plus), Rivotra (RDJ), Anao ny Fitenenana (Free Fm), Tambatra (Viva radio, Viva TV, Free fm, Alliance fm, Taratra fm, kolo TV, Kolo FM), Aoka hazava (Viva). Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny orinasan-tserasera nandefasana taratasy tahaka io. Manasonia izany ny Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Filaminana anatiny, Minisitry ny serasera, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

HITORY ENY AMIN’NY FILANKEVI-PANJAKANA

 Naneho hevitra momba ny fampiatoana ny fandaharana miresaka politika ireo haino aman-jery tsy miankina toa ny MBS, REAL TV&RADIO, IB-C,… araka ny fanambaran’izy ireo teny Anosipatrana ny takarivan’ny zoma lasa teo. Nambara fa fanampenam-bava ny fanajanonana ny fandaharana araka ny fanapahan-kevitra iraisan'ny ministera. Izao vao manarina ny fatiantoka tamin ny “requisition” tamin ny taona 2020 kanefa ajanona ny fandaharana misy mpanohana ara-barotra sy dokam-barotra. Manao antso amin ny FFKM, ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ihany koa izy ireo. Hametraka fitoriana eny amin'ny “Conseil d'Etat” na ny filankevim-panjakana ireto haino aman-jery tsy miankina ireto anio alatsinainy, raha ny voalazan’izy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT