Fanjakana Frantsay

> Mampitandrina ireo terataniny ho mailo


  • Alarobia 07 Aogositra 2013

Manainga ny teratany Frantsay mipetraka na mandalo any Nosy Be ny fanjakana Frantsay mba ho mailo sy ho malina lalandava satria tsy azo antoka intsony ny fandriampahalemana any an-toerana raha araka ny fanambarana nataon’ny fitondrana Frantsay.

Na amin’ny andro mazava na amin’ny alina dia ilaina ny fahamailoana sy fitandremana indrindra fa amin’ny lalana mampitohy ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be mankany Fascene (ao an-tampon-tanana). Nitombo be ny isan’ny mpizahantany niharan’ny herisetra, voaendaka sy voadaroka tany an-toerana, ka izay no mahatonga izao antso sy fampitandremana izao. Voalazan’ilay taratasy miampita navoaka ary fa tsy maintsy mihidy tsara daholo ny varavaran’ny fiara, rehefa mivezivezy ao Nosy Be, tsy azo atao ny mandeha an-tongotra, na mandeha moto na mandeha bisikleta. Misy toerana telo ao Nosy Be dia ny Mont Passot, Cascade, Arbre Sacré, izay mila fitandremana sy fahamailoana tanteraka ny fandalovana eo aminy, raha araka ny hafatry ny fanjakana Frantsay ihany, ary tena fahendrena ny tsy mivoaka na mivezivezy amin’ny alina, na mandeha an-tongotra io na mitondra fiarakodia.

Mihevitra ny Frantsay fa misy ifandraisany amin’ny fitarazohan’ny fanaovana ny fifidianana ny firongatry ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ka mahatonga ny asan-jiolahy sy herisetra etsy sy eroa amina faritra maro manerana ny Nosy, ka anisan’izany ny ao Nosy Be Hell-ville. Mety hisy ny fivorivoriana sy fidinanana an-dalambe, hoy ihany ity hafatra miantefa amin’ny teratany Frantsay ity ary mety hisy mihitsy ny fihoaram-pefy amin’izany ka mila mitandrina be sy mandray fepetra manokana, noho izany ireo mpizahantany maniry ny ho avy eto Madagasikara. Mazava be ny resaka eto fa tsy matoky firy intsony ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara ny Frantsay ary efa miomana ny amin’ny savorovoro mety hitranga eto ; miendrika fandrarana an-kolaka ny mpizahatany Frantsay tsy ho avy eto Madagasikara intsony koa ny fahitana izao fanambarana miendrika fampitandremana izao, ary efa maminavina sahady fa ho avy eto indray ny rotaka tahaka ny nitranga tamin’ny 2009.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT