Tsy mbola ato ho ato mihitsy ny hanitsiana ny marikaraman’ny mpiasam-panjakana, araka ny fanazavan-dRanjivason Jean Théodore, filohan’ny vaomieran’ny lalŕna sy ny asam-panjakana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Raha vao
Efa nisahana ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy nandritra ny fitondrana Ravalomanana Ranjivason ary nilaza izy fa efa tamin’izay no nanombohana ny fanitsiana sy fandaminana ity tontolon’ny asam-panjakana ity saingy mbola lavitr’ezaka ny asa, nisy rahateo koa moa ny fahatapahan’izany asa izany noho ny fiovan’ny tompon’andraikitra sy ny krizy. Nanamafy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa mitombina tsara mihitsy ny fitakiana saingy tsy mbola azo tanterahana aloha raha ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao satria vola be amina miliara no ilaina, kanefa ny fanjakana mbola ao anatin’ny fitsitsiana. Efa eo am-pelatanan’ny fanjakana ny fitakian’ny mpiasam-panjakana saingy raha tsorina izany ny resaka dia tsy maintsy miandry ny fijoroan’ny fitondrana vaovao ao anatin’ny Repoblika faha-IV vao hodinihana ny fanatanterahana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.