Taorian’ny fanadihadiana isan-tsokajiny, velaran-tany mirefy 450 ha manamorona ny By pass no efa azo hajariana amin’izao fotoana izao.
Efa milamina ny drafi-panajariana amin’ny fanorenana rehetra ary afaka manao zavatra toy ny fanotorana tany ireo olona manana tany eny saingy tsy maintsy manaraka izay drafitra efa vita sy napetraka. Ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana no nanao ny fanadihadiana sy namolavola ny drafi-panajariana ny tanàna hapetraka eny an-toerana. Araka izany, mila manao fangatahana ireo te hanao asa fanorenana ary miankina amin’ny fanajana sy fanarahana ny drafi-panajariana efa mipetraka no hanekena na tsia ny fangatahana. Tanjona amin’izao ny hanomezana endrika iny toerana iny sy hisorohana ny olana any aoriana. Orinasa maro ihany koa no hajoro eny an-toerana. Zava-dehibe ny fisian’ny drafi-panajariana maty paika mba hisorohana ny loza isan-karazany toy ny tondra-drano. Ny fanajariana ny tanàna rehetra eto Madagasikara dia tokony hanana izay drafitra maty paika izay avokoa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.