Actualités

Fanirisoa Ernaivo Hotorian’ny Fanjakana Malagasy


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Tsy maintsy hitory ny Fanjakana manoloana ny horonan-tsary nataon-dRtoa Fanirisoa Ernaivo,

 

 

 

izay naneho fa mpifoka rongony ny zanak’i ny Filoha Rajoelina, ary niampy fandrahonana, raha ny re omaly. Efa namaly sy naneho ny fanamelohany an’io toe-javatra io moa Rtoa Mialy Rajoelina omaly ihany, ary nilaza hoe hatsaharo ny fanalam-baraka ny zanany. Nilaza ny Lietnà kolonely Herilalatiana Andrianarisaona Mpandrindra ny Ady amin'ny Heloka atao amin'ny Fitaovan-tserasera omaly, fa tsy mahasakana ny fanenjehana ny elanelan-tany, ary manana fiaraha-miasa amin’ireny firenena any ivelany ireny isika. « Misy an’ireny fanaratsiana lehibe natao ny zanaky ny Filoha sy ny foloalindahy ireny. Efa tafahoatra, ary mampalahelo hoe tonga amin’izany ve ? Mieritreritra ireo olona fa tsy eto Madagasikara dia hoe tsy ho raran’ny lalàna. Tany tan-dalàna ity Madagasikara ity, ary ny angatahana mba tsy ho hihoatra ny lalàna. Afaka miteny ny mpanohitra, fa kosa tokony miteny amin’ny zavatra marina, tsy manompaompa olona tahaka iny hita omaly iny. Tsy maintsy handray fepetra ny Fanjakana”, hoy ny Governoran’Analamanga.

NATAO HIHARAN’NY LALANA VE NY REHETRA ?

Zava-dehibe ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana, ary mila ampanjakaina tokoa ny tany tan-dalàna. Na izany aza, tsy hoe rehefa ny olom-panjakana, ny fianakavian’ny mpitondra ihany no handraisana fepetra sy hampiharana lalàna. Firifiry moa teto ny fitoriana nataon’ny avyamin’ny fanoherana, toy ny fisolokiana sy fandotoana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nanaovan’ny TIM fitoriana efa ho roa taona lasa izay ? Moa mba nisy fandraisana andraikitra ny fanozonana azy ho faty tamin’ny resaka vatam-paty,…? Moa mba nisy fandraisana andraikitra ny fiantsoana tao anaty fandaharana iraisana haino aman-jery mpanohana fitondrana hoe: andao hovonoina sy hotoraham-bato i ranona sy ranona? Tena tany tan-dalàna tokoa ve i Madagasikara sa natao ho an’ny madinika sy ny mpanohitra ihany ny fampiharana azy ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT