Actualités

Fanimbana tontolo iainana 20.000 Ariary no karama nandoro ala


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

I Lista no anaran’ilay nandoro an’I Beafo, hoy ny fampitam-baovaon’ny depiote voafidy tao Manakara, Honoré Tsabotokay, nanamafy fa tratra ilay nahavanon-doza omaly.

Nokaramain'olona 20.000 Ariary nandoro azy, hoy izy. Efa niakatra fampanoavana i Lista. Mba ho fiarovana ny tsiambaratelon'ny fitsarana dia tazonin'ny lehiben'ala sy mpitandro filaminana ny anaran'ilay naniraka. Lasa nandositra io olona io. Fantatra fa olona eto ihany io nanakarama. Miahiahy ny rehetra fa mety misy olon-kafa ambadik'olona eto an-toerana nanome io 20.000 Ariary io ahafantarana ny olona tena naniraka tsy mbola itenenana ny anaran'ilay nanome 20.000 Ariary satria raha io olona io mety misy naniraka koa. Iraka fotsiny koa io, hoy hatrany ny tenany, nanazava ity trangana fandoroana ala ity.

 


Ny tena manahirana amin’ny raharaha tahaka izao dia tsy miasa saina ihany koa ny nirahina fa hoe nirahina handoro ala aho , dia nodorako tokoa.Eo ny mety hoe noho ny fahasahiranana, mitady asa, mitady vola fa ny tena mampanahy amin’izao fotoana dia maro ny Malagasy mbola tsy tonga saina tsara hoe zava-doza anie no aterak’io fahasimban’ny tontolo iainana io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT