Actualités

Fanimbana ny fananan’ny Jirama Olona 14 no notanana am-ponja vonjimaika


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Tohin’ny raharaha halatra solika sy fanimbana foto-drafitrasan’ ny Jirama izay nitranga ny alin’ny Sabotsy 07 aogositra lasa teo, dia fantatra izao fa olona 14 isa no notanana am-ponja vonjimaika.

 Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny manam-pahefana any an-toerana no angady nananana izany. Ahitana mpiasan’ny Jirama anankiroa (2) ao anatin’ixany izay ny lehiben’ny tranom-pamokarana ary mpandray vola ; mpiambina avy ao amin’ny orinasa Safidy iray (1) , mpiasa efatra (4) avy ao amin’ny orinasa HFF, zazalahy 17 taona ny iray (1) izay mpisera halatra maizina, ramatoa ny anankiroa (2) ny iray mpisera halatra ary ny iray mpanao ny varo-maizina tamin’ny raharaha teo aloha, sofera na tuctuc ny iray (1), mpiambina « pylône » airtel iray (1) ary ny farany dia ilay mpanao varo-maizina izay efa tratra tany aloha. Manamafy hatrany ny Orinasa JIRAMA amin’ny alalan’ny Tale Jeneraly, Atoa Vonjy Andriamanga fa tsy hanam-pandeferana amin’ny fahavitana heloka bevava tahak’izao ny eo anivon’ny JIRAMA. Tsy hanavahana na mpiara-miasa teo anivon’ny orinasa aza izany na olona ivelany. Mendrika sazy mavesatra ireo mahavanon-doza mambotry firenena sy manao ratsy ny mpiara-belona tahaka izao hoy izy. Tsy hitarain-tana-miempaka ny orinasa fa vonona hamongotra hatramin’ny fotony ny halatra sy ny hosoka efa tanterahina amin’ny alalan’ny tambazotra mihitsy, araka ny fahitantsika azy izao. Arak’izany tanjona izany, dia manao antso avo amin’ny rehetra ny Tale Jeneraly, mba hiara-hisalahy, hanao asa vadi-drano ny famongorana ny halatra sy hosoka, hampihenana ny fatiantoka ho fanarenana ny orinasa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT