Actualités

Fanilihana ny DSP Vokatry ny tsy fifankahazoana ela tao an-dapa


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanalana ny tale misahana ny fiarovana teo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita na ny DSP dia efa hatry ny ela izy no tsy azoazon’ireo olona mitana andraikitra ambony ao Ambohitsorohitra.

Toa niharitra ny kobay an-kelika am-bolana maro izy satria araka ny fantatra dia efa tany amin’ny didim-panjakana manendry azy no niainga izany. Voalaza mantsy fa naharitra am-bolana maro no niasa maina tsy nisy taratasy fanendrena ity DSP teo aloha ity, ny kolonely Razafimahatratra Claude. Tany no efa voasakantsakana ny fanendrena azy saingy tanteraka ihany izany. Taorian’izay dia efa nanana olana ihany tamin-dry lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, fony mbola tao amin’ny FIS, sy ny namany koa ity tale ity. Am-bava tsy ratsy ny an’izy ireo tao an-dapa dia iny niafara tamin’ny fitarihana ny mpiambina ny filohan’ny FAT nisambotra ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI iny.

Volana vitsy lasa dia efa saika noesorina ihany koa ity DSP ity saingy tsy tanteraka izany noho ny “intervention” nataon’ny mpanao politika iray fanta-daza sady akaiky ny filohan’ny FAT. Mikasika ny tranga teny amin’ny Marais Masay ny alakamisy 03 martsa teo indray dia fantatra fa efa ho ora iray taorian’ny tranga vao tonga teny an-toerana ity DSP teo aloha ity. Izy anefa no heverina fa tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny filohan’ny FAT. Izany rehetra izany no nitambatra dia izao niafara amin’ny fanalana azy izao. Mandeha ny resaka ankehitriny fa homena toerana hafa ny tenany. Ho hita eo indray izany !

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT