Vao miatomboka ny taona vaovao dia manomboka ihany koa ny ady tany ao Toamasina, ka ny manodidina an’i Tsararivotra, Tanandava, Betainaomby no tena itrangany.
Omaly tamin’ny 04ora maraina dia fianakaviana miisa 300 no rava fananana nandritra ny fandravana ny tranon’izy ireo nataona vadintany nitondra “bulldozer” niisa roa nanatanteraka didim-pitsarana. Efa in-droa saika hanatontosa ity fandravana ity ilay vadintany sy ireo solon-tenan’ny milaza fa tompon’ny tany ny taona 2012, nefa izao fahatelo izao vao tanteraka izany. Raha ny zavatra hita araka ny taratasy voasonia ara-dalana niainga avy eo anivon’ny fitsarana sy ny fananan-tany Toamasina ary tahirin-tany tany aloha, dia efa tsy mazava ny refin’ny tany iadiana noho ny fahasamifahany na dia ny “titre foncier” N°13.186-BA “Roche Villars” aza no iadiana.
Ny taratasim-pitsarana milaza araka ny didy maika ny fitsarana ambaratonga voalohany lah: 119-AGR-12 ny 25 jolay 2012 sy ny didy maika ny fitsarana ambony lah: CATO-41-REF/12 ny 30 oktobra 2012, dia samy milaza avokoa fa mirefy 11ha 76a 68sa ilay tany; ny “certificat juridique” ny tany nivoaka ny 23 febroary 2012 kosa dia mahita fa 10ha 01a 21sa ilay izy; ary ny “extrait de carte foncière” nivoaka ny 02 jona 2008 kosa mahita fa mirefy 15ha 33a 79sa ity tany iadiana amin’ny Fokonolona ity. Ankilan’izay dia manjavozavo koa ny mikasika ny toerana sy ny Fokontany ary ny Kaominina misy ilay tany. Raha ny voasoratra ara-panjakana dia Ambomandroso, Fokontany Tanandava, Kaominina Toamasina Suburbaine no misy ity tany ity ; ny fitsarana indray mahita fa Betainaomby, Fokontany Ambodisaina, Kaominina Amboditandroroho ilay toerana. Ny biraon’ny fananan-tany kosa milaza fa Betainaomby, Fokontany Tanandava, Kaominina Amboditandroroho izany.
Tsy fantatra intsony iza no nanao hosoka na iza no nanao ny fahadisoana, sao tsy ity tany nandravana trano ity ilay tany iadina. Ny zava-misy dia ny “Société Zafitsara” no voalaza fa tompon’ilay tany ary ny 22 jona 2010 no efa nahazoany azy. Raha ny voarakitra mazava eo anivon’ny firaketan’ny fananan-tany Toamasina anefa dia ny volana febroary 2012 no nanaovan’izy ireo izany. Ny vaovao farany voaray, dia namoaka didy ny 21 janoary 2013 teo ny fitsarana tampony mandrava ny didy navoakan’ny tao Toamasina. Noho izany dia miverina amin’ny Fokonolona aloha ny taniny, ary miverina hatrany amboalohany ny fitsarana efa vita.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.