Actualités

Fangatahan’ny Fitondrana Malagasy Natolotra ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Nandray ny solontenan’ny Masoivoho Afrika Atsimo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny,

 

 

 

 Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva, ny tolakandron’ny omaly alahady 10 janoary 2021. Ny raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko milanja 73, 5 kg no votoatin’ny dinika. Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina, dia nandray ny andraikitra tandrify azy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny eo amin’ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta, mba hamerenena ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara sy ireo izay tratra tany Afrika Atsimo tamin’izao raharaha izao, hoy ny tatitra. Araka izany dia natolotry Minisitra mivantana tamin’ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny antontan-taratasy mirakitra izany fangatahan’ny Fanjakana Malagasy izany, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT