Actualités

Fangatahana fampodiana ny volamena Amin’ny 19 febroary no hivoaka ny didy


  • Talata 02 Febroary 2021

Ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana ny volamena 73,5 kg

 

 

no tena nandeha tatsy Afrika Atsimo omaly. Nandalo sy naseho nandritra fitsarana ihany koa anefa ireo telolahy sy ny volamena izay sarona ny 31 desambra 2020. Naka mpisolovava Afrikanina Tatsimo ny Fanjakana, ka ny taratasy mahakasika ny didy fampisamborana iraisam-pirenena sy ny taratasy manamarina ny fampiatoan’ny firenena ny fanondranana volamena nanomboka ny 20 oktobra 2020 no isan’ny nentin’ireo mpisolovava ireo teo anivon’ny Fitsarana omaly. Amin’ny 19 febroary izao no hamoahan’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo ny fangatahana nataon’ny Fitondrana Malagasy. Na raharaham-pitsarana manokana aza ny fangatahana fampodiana ireo volamena, dia misy ifandraisany foana amin’ireo telolahy izay enjehin’ny Afrikanina Tatsimo amin’ny fampidirana entana sy trafika tany amin’ny amin’ny fireneny (contrebande) miampy fandikana ny lalàna mifehy ny fadin-tseranana. Andrasana izay ho didim-pitsarana amin’ny 19 febroary io, saingy ahiana ho lasa porofo manamarina ny heloka nisy sy ny fandikan-dalàna niseho tany Afrika Atsimo na “pièce à conviction” ireo volamenantsika. Ahafahana mandrefy ny tanjaka ara-diplaomatikan’ny Fanjakana Rajoelina io. Hatreto, tsy misy tohiny ihany koa ny fangatahana fampodiana ireo telolahy hotsaraina aty Madagasikara, raha toa ka ny 07 janoary lasa teo nilaza ny manam-pahefana Malagasy, fa atao izay hampodiana azy ireo sy ny volamena mialohan’ny 12 janoary 2021 fotoana voalohany saika hanaovana ny fitsarana, saingy nihemotra omaly. Ho an’ny eto Madagasikara, 12 no naiditra am-ponja hatramin’izao, ary 7 no namoahana didy fampisamborana. Ahiana ho maty momoka amin’ny fanagadrana ireo irakiraka madinika ity raharaha ity ho an’ny eto Madagasikara, fa ireo tena tompon’ny entana sy ny tambajotra matanjaka miaraka aminy ho afa-maina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT