Faneva Arondahy Noel

> Nisintaka tamin’i Hajo


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

Tapaka ny tady ! Niala tsy ho mpandrindram-paritry ny Malagasy Miara-Miainga ao Vatovavy Fitovinany i Faneva Arondahy Noel.

Mahatsiaro ataon’i Hajo Andrianainarivelo, fitaovana fotsiny ity farany ka dia ny nisintaka taminy no fanapahan-kevitra heveriny fa mety ao anatin’izao toe-draharaha misafotofoto izao. Mpanolotsaim-paritra Vatovavy Fitovinany teo aloha i Faneva Arondahy Noel ary kandida solombavambahoaka ao Manakara amin’ny fifidianana ho avy. Araka ny filazany dia mitombo hatrany ny elanelana eo amin’i Hajo Andrianainarivelo sy ireo mpanohana azy teo am-boalohany, fony izy nilaza fa hirotsaka ho kandida filoham-pirenena. Miseho lany ny fanilikilihana sy tsy fifampihenoana, toy izay niseho raha nitsidika tany Vohipeno i Hajo Andrianainarivelo araka ny fanazavan’i Faneva Arondahy Noel. Nisy Ben’ny tanàna maromaro naniry ny hifampiresaka taminy saingy voatoso-bohon-tanana, araka ny fanazavany hatrany. “Vao kandida ve dia efa tsy azo ifampiresahana, ka raha izany no lany eo tsy vao mainka hanahirana ?”, hoy i Faneva Arondahy Noel. Aminy anefa dia manampy amin’ny fahalanian’ny kandida filoham-pirenena ny fananany kandida solombavambahoaka mamim-bahoaka izay tarafin’ny mpifidy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT