Naneho ny alahelony ny Fikambanan'ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara - Association des Femmes journalistes de Madagascar- FJM,
taorian’ny resaky ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera (FJM) tamina fahitalavitra tsy miankina iray. « Taitra sy nalahelo izahay raha nahita ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay mpikambana feno anatin'io fikambanana io, niresaka ny fiainana ara-pahasalaman'ny filohan'ny FJM Anny Andrianaivonirina, hoy ny fanambarana nataon’ny Biraon’ny FJM. Heverinay fa tsy fanajana ny Soatoavina Malagasy ny mamoaka sy miresaka ampahibemaso ny resaka ara-pahasalaman'ny olona iray eny anivon'ny haino vaky jery toy ireny indrindra moa fa tsy nierana sy tsy nahazoana alalana tamin'ilay olona voalaza », hoy ny FJM. Notsihin’izy ireo fa raha tsy tojo iny tsy fahasalamana iny Anny Andrianaivonirina dia tsy nanana eritreritra ny hangataka fanampiana velively ny tenany. Hevitra nitsiry tamin’ny mpikambana ao amin'ny biraon'ny FJM izany, ary izy ireo no nikarakara iny hetsika tolotanana iny iray manontolo, niaraka tamina namana mahafatra-po anatin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Tsy nisy araka izany fangatahana ofisialy na taratasy ofisialy nalefa teny anivon'ireo ministera sy departemanta hafa. Nisokatra tamin'ny rehetra ny tolotanana izay nisaoran’izy ireo ny rehetra. Tamim-pitiavana kosa no nikarakaran’ny biraon’ny FJM sy ny mpiara-miasa aminy ny tolotanana ary maro dia maro no namaly izany tolotanana izany tamim-pitiavana. “Tsapanay nandritra iny fandaharana iny fa nanana alahelo ny minisitry ny Serasera satria nanampy ny filohan'ny FJM izay tojo tsy fahasalamana tamin'ireny fotoana ireny saingy toa tsy nisy ny tambiny nomen'ny filohan'ny FJM na izahay biraon'ny FJM ho setrin'izay fanampiana izahay. Tsy manana fahefana ny biraon'ny FJM hanome tambiny ny minisitra fa kosa nanapa-kevitra fa hamerina ny fanampiana izay nomen'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo any aminy”, hoy kosa ny fanambarana teo anatrehan’ny karazana tsikera nataon’ny Minisitry ny serasera, izay toa naneho fandisoana fanantenana fa tsy arakaraka ny fanampiana nataony no setriny azony, ka niresahana sy nitanisana manokana ny lafiny ara-pahasalaman’ny Filohan’ny FJM teny ambony latabatry ny haino aman-jery. 4 tapitrisa Ar moa io sora-bola avy amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.