Actualités

Fanendrena «Administrateurs des services financiers» Fandikan-dalŕna miaro kiantranoantrano


  • Zoma 22 Martsa 2013

Fandikan-dalŕna tsotra izao no natao tamin’ny fanendrena «Administrateurs des services financiers» na ASF miisa 5 tao amin’ny Ministeran’ny tetibola.

 Navoaka tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana laharana 2012-27488 tamin’ny 12 oktobra 2012 izay nosoniavin’ny minisitry ny vola sy ny minisitry ny asam-panjakana fa ampidirina ho anisan’ny ASF izy 5 mianadahy ireo noho ny fahaizamanao ananany ilaina amin’ilay sokajin’asa. Mijoro manohitra ity fomba fiasa ity ny sendikan’ny ASF ka nitory eny anivon’ny filankevi-panjakana mba hampiatoana sy hanafoanana io didim-pitondrana io. Araka ny andininy faha-6 ao amin’ny didim-panjakana laharana 2005-076 mamaritra ny fitsanganan’ny sokajin’asa ASF mantsy dia amin’ny alalan’ny fifaninanana ihany no idirana ho ASF rehefa mahavita ny fianarana 2 taona eny amin’ny ENAM. «Hatramin’ny taona 2007 dia indray mihira 3 no efa nivoaka ka am-perinasa amin’izao raha misy andiana mpianatra 2 mamita ny fiofanany. Tsy misy mahafeno izany fepetra izany ireo olona notendrena ireo», hoy ny Sekretera jeneralin’ilay sendika, Tatamiarisoa Manankoraisina Landry. Misy kiantranoantrano gaigilahy koa ity resaka ity satria olona akaiky ny Tale jeneralin’ny tetibola ny 2 amin’ireo olona nakarina ASF. Ny 1 vady andefimandriny raha zanaky ny mpiray tampo aminy kosa ny faharoa, hoy hatrany ny sendika. Voalaza amin’ny andininy faha-3 amin’ilay didim-pitondrana laharana 2012-27488 moa fa tsy misy didy aman-dalàna afaka manafoana io didim-pitondrana io. Tsy fahaizana lalàna ve sa mitady hanao didiko fe lehibe fotsiny ireo tompon’andraikitra nanao ity didim-pitondrana ity ? Didim-pitondrana ihany mantsy dia efa afaka manafoana didim-pitondrana, indrindra raha zavatra tsy mitombina tahaka an’ity navoaka ity. Milaza koa ny sendikan’ny ASF fa nafenina ity raharaha ity satria vao tamin’ny 12 febroary 2013 no nahalala ny fisian’io fanendrena io ry zareo.

Nanana fotoana tsara handaminany ny fiakarana grady sy fisondrotan’ny karamany izy 5 mianadahy notendrena manokana. Nanamora izany rahateo ny maha tomponandraikitra mpanao karama ny iray amin’izy ireo ka afaka nandingana ny ministeran’ny FOP “tsy maintsy mandalo any amin’ny FOP aloha ilay didim-panjakana vao makany amin’ny sampandraharaha mpanao karama ao amin’ny Ministeran’ny vola. Tsy nohajaina ihany koa anefa izany mba tsy hahalalana ny fisian’ilay tetika raha tsy efa milamina avokoa», araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneraly hatrany. Milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany moa ny sendika noho ny fanimbazimbana ny hasin’ny sokajin’asa ASF ankoatra ny kiantranoantrano. Mino ry zareo fa hahazo rariny eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana. Efa mandray an-tanana ny raharaha koa ny Bianco ka andrasana ny tohiny.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT