Actualités

Fanemorana datim-panadinana Be no mimenomenona


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Fimenomenomana ! Izay no re ombieny ombieny eny am-bavan’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika fanadinam-panjakana taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis, ny zoma 29 jona teo, nanemotra ireo datim-panadinam-panjakana rehetra.

 . Ireo mampiana-janaka amin’ny sekoly tsy miankina no tena mimenomenona ary velon-taraina ny ankamaroany. Marihina fa Iray volana eo ny fanemorana datim-panadinana tinapaky ny fanjakana. Vokatr’io fanemorana io anefa dia voatery nanalava ny taom-pianarana ihany koa ny sekoly, ary dia mitombo iray volana manaraka izay koa ny saram-pianarana aloan’ny ray aman-dreny, hany ka tsy vitsy tamin’ireto farany no nilaza fa tokony ho notazomina ny 10 jolay ihany ny datim-panadinana CEPE fa ny an’ny lehibe no nahemotra, dia ny BEPC, BACC, CAP/EP izany. Betsaka amin’ireo mampiana-janaka amin’ny sekoly tsy miankina koa no mametra-panontaniana hoe inona no hataon’ireo ankizy tsy hiatrika fanadinam-panjakana any an-tsekoly mandritra io fanalavana taom-pianarana iray volana io ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT