Tonga amin’ny famaranana ny fanatanterahana ny tetikasa « Fitaovana
Fandrindrana ny Ala sy ny Fambolena» izay sitrahan’ireo fikambanan’ny mpamokatra miisa 30 eo amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana, jono ary ny ala eto amin’ny faritra Analamanga, Distrika Ambohidratrimo sy Ankazobe ny Vovonana Nasionaly Vehivavy, Fampandrosoana Maharitra sy Fiahiana ara-tsakafo na PNFDDSA. Ny rafitry ny firenena mikambana misahana ny ara-tsakafo sy fambolena na FAO no namatsy ara-bola ity tetikasa ity ary faritra miisa telo dia Sofia, Boeny ary Analamanga no nisitraka izany nanomboka ny volana oktobra 2019, hoy hatrany ny tatitr’ity fikambanana ity. Tamin’ity fiofanana andiany faha 4 sady farany 2020 ity, ho an’ny faritra Analamanga, dia mikasika ny famakafakana sy fampandrosoana ny tsena sy ny Fikotrehana Orinasa no lohahevitra nampiofanana ireo fikambanana mpamokatra. Norantovina tamin’izany ny fahaiza-mikajy ny tanjona ara-bolan’ny mpikambana tsirairay mba hahafahan’ny fari-piainany miakatra, ny vokatra tsara indrindra ho trandrahana, ny famakafakana ny rojom-barotra mikasika io vokatra tsara ho trandrahana io, ny fikajiana ny orinasa. Naharitra 6 andro ny fiofanana ary nahafahana ihany koa nifampizara sy nandalina ny asa fampiharana ny fanorenana tontolo maharitra sy fanatsarana ny tontolom-pihariana natao ny 26 sy 27 novambra lasa teo teny Antanetibe Mahazaza sy Ampangabe, Distrika Ambohidratrimo. Hisy ny fotoana hanaovana fandaminana ny fandaharan’asa ho an’ny taona 2021, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.