Actualités

Fandriampahalemana eto Madagasikara Mbola lavitry ny fenitra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013

Fenitra takian’ny iraisam-pirenena eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ny fananana mpitandro filaminana 3 ho an’ny olom-pirenena miisa 1.000.

Raha atao ny kajikajy tsotsotra miainga amin’io lamina maneran-tany io dia mila mpampandry fahalemana hatrany amin’ny 60.000 mahery any ny mponina miisa 21,9 tapitrisa eto Madagasikara. Raha ny zava-misy sy hita ary iainan’ny mpiara-belona mandavanandro ankehitriny aloha dia tsy mahasehaka ny asan-jiolahy sy ny korontana maro samihafa miseho manerana ny Nosy mpitandro filaminana malagasy. Manaporofo izany ny tarehimarika navoakan’ny minisitry ny filaminana anatiny, Rakotondrazaka Arsène, satria tsy manana afa-tsy vatan-dehilahy 8.000 ity departemanta sahaniny ity.

Olana iray tena goavana amin’ny tsy fahafahana manaraka io fenitra ikambanan’izao tontolo izao io ny lafiny ara-bola, izay voafetra ihany. Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ihany koa ny fametrahana ireo trano fiasana eny anivon’ireo faritra maro manerana ny Nosy satria tsy ampy ny isan’ireo olona hisahana izany. Tsy afa-manoatra noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa dia mionona fotsiny amin’ny fahafahana mandray ireo mpiadina izay mifanaraka amin’ny tetibolam-panajakana. Tamin’ity taona 2013 ity izao ohatra dia kandidà 400 tamin’ireo 7.660 nifaninana monja no voatsonga hiditra hanabe voho ny sekoly fanofanana ireo polisim-pirenena. Ny 300 amin’izy ireo anefa dia mbola manaraka fampianarana mandritra ny roa taona aorian’ny fifaninanana mialoha ny handraisan’izy ireo ny asa eny anivon’ny fiarahamonina.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT