Fandriampahalemana

> Nahazo «Poste Fixe» an’ny Zandarimaria i Soanindrariny


  • Zoma 14 Martsa 2014

Notokanana ny alarobia 12 martsa lasa teo ny tobim-paritry ny Zandary na "Poste Fixe" ao Soanindrariny, Distrikan’Antsirabe faharoa. Manomboka izao dia hisy zandary miisa 5 avy hatrany hipetraka sy hiasa ao hitandro ny filaminana.

Misolo isam-bolana izy ireo amin’ny tsy mbola maha zana-tobim-paritry ny zandary azy raha ny fanazavana nomen’ny Liétnà-Kolonely Ramaminirina, lehiben’ny vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena azy. Nitrangana fanafihana mitam-basy ka nahafatesana olona tao amin’ity Kaominina ity vao tsy ela akory izay. Nambaran’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Atoa Randriamasimanana Samuel Berthin nandritra ny fitokanana fa tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana raha tsy misy ny fandriampahalemana ahafahan’ny vahoaka mamokatra. Anisan’ny efa nanokafana tobim-raitra toy izao tany Miandrarivo-Ambatolampy sy Anjoma-Ramartina. Hitarina ho lasa Borigady kosa ny zanatobim-paritra ao Sahanivotry. Nanome voninahitra ity lanonana ity moa ireo solombavambahoaka mianadahy ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa ka nanambara fa hanolotra finday ho an’ireo zandary miasa ao amin’ny ity toby vaovao ity hanamorana ny fifandraisana amin’ireo mponina. Marihina fa mbola tranon’olon-tsotra no ampiasaina mandritra ny telo volana hananganana ny biraon’ireto zandary ireto.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT