Fandresen-dahatra ny mpifidy

> Misy manao fisarihana ahazoana loka be


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013

Tena miavaka raha samy fifidianana tokoa ity hatrehantsika eto Madagasikara ny zoma 25 oktobra 2013 ity.

Ao anatin’izao fampielezan-kevitra madiva hifarana izao dia maro ireo trangan-javatra tsy ampoizina manodidina ny fomba fiasan’ireo etamazaoro politika isan-tsokajiny manoloana ny fandresehan-dahatra ireo olom-pirenena ka hiantsoana azy ireo hanatrika ny famoriam-bahoaka izay tanterahany amin’ireo toerana efa voafaritra sy nahazoan-dalana mialoha. Ny tena mahazendana kosa anefa dia ny karazana fifaninanana kely eo amin’ireo mpirotsaka hofidiana sy ireo mpanohana azy ireo amin’ny fampisehoana amin’ireo gazety mpivoaka isan’andro sy ireo haino aman-jery samihafa ny habetsahan’ireo olona manatrika izany fampielezan-kevitra izany. Efa tsy dia mahagaga loatra aloha ny fizarana akanjo misy ny sarin’ny kandida sy ny fanambazana vola kely. Fa hafa kely ihany indray ilay hoe misy fisarihana atao ka ahazoana loka samihafa toy ny hoe tapakila mandroso miverina mankany ivelany sy fiarakodia tanterahan’ilay kandida filoham-pirenena ao anatin’ny fampielezan-kevitra sy fandresen-dahatra ny mpifidy izay ataony. Eo indrindra ny mahalasa saina ny mpanara-baovao ka mahatonga azy ireo manontany hoe tsy matoky tena sy ny lanjany eo amin’ny fiarahamonina angaha ny mpanao politika no mampiasa fomba hafa indray ankehitriny hisandana ny safidin’ny olom-pirenena tompon’ny fahefana feno amin’ny fanendreny izay olona mendrika hitantana an’i Madagasikara ?

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT