Actualités

Fandravana trano tao Toamasina “Tsy nanara-dalŕna ny vaditany nampanaovina azy”


  • Zoma 29 Jolay 2011

Resabe ao Toamasina ny zava-nisy nandritra ny fandravana ireo trano nambara fa tsy ara-dalŕna, tao anatin’ny nambara koa fa tokotanin’ny Madarail.

 Tsy ny fanalana ny olona voalazan’ilay didim-pitondrana iraisan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny fanajariana ny tany sy ny fanampariaham-pahefana, no olana fa ny fomba nanatanterahan’ilay vaditany nalaina tao Toamasina hanao ny fanalana ireo fianakaviana enina tsy maintsy nalana ireo. Raha ny didim-pitondrana dia tsy nisy filazana fa fandravana ny tranon’olona no atao, fa voasoratra mazava tao amin’ny andininy voalohany ny hoe “fanesorana sy fandroahana” fotsiny ihany. Manaraka izany, raha ny lalàna ara-pitantanam-panjakana dia tsy manana lanja didim-pitsarana ny didy avoakana minisitra na ministera, ka na miendrika didy aza ny nanaovan’ny minisitra mirahalahy izany dia tsy maintsy mandalo didim-pitsarana araka ny fitorian’ny mpangataka atao eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohan’ny faritra misy ny olana ny raharaha. Azo atao tsara ny mampanao azy ireny ho didy ady maika raha maika araka izay no ilana azy, nefa tsy nanao izany ilay vaditany fa tonga dia nandrava ny fananan’olona.

Teo koa ny fanatanterahana baiko nataon’ity vaditany ity izay tsy didim-pitsarana akory, fa taratasy ara-panjakana tsotra nosoniavina minisitra. Ny vaditany anefa, araka ny asany, dia mpiara-miasa amin’ny fitsarana ary mpanatanteraka didim-pitsarana, noho izany didim-pitsarana ihany no azony anaovana fandraisana andraikitra raha toa ka fandravana sy fanalana olona tahaka izao no nataony. Raha te hanatanteraka ity didim-pitondrana navoakana minisitra mirahalahy ity koa anefa ilay vaditany, dia azony atao ihany, fa saingy tsy tokony “Commandement” no nalefany tany amin’ireo fianakaviana enina ireo fa “Sommation”, ary mandritra ny fanatanterahana ny didim-pitondrana tsy maintsy narahina araka ny baiko midina, dia manao fanaraha-maso fotsiny no ataon’ilay vaditany ary hanaovany tatitra mazava, fa tsy mpanatanteraka tsy akory. Mbola miady amin’ny fanonerana ny fananany nosimbana sy noravana ireto fianakaviana ireto ankehitriny, na efa mazava ho an’ireo teo anivon’ny Gare Manguier aza fa miala izy ireo raha ilain’ny tompony ny tany. Ny ao Manangareza kosa dia fandoavana ny vidin-taniny izay efa nahazoany “titre” ara-dalàna ara-panjakana no takian’ireo noravana trano. 

 

Rakoutou

 

Sary : Mitaky fanonerana ny fananany nosimbana sy noravana ireto fianakaviana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT