Actualités

Fandravana trano Mampaneno lakolosy ny eny amoron’ny lalamby


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Mampiaka-peo ireo Fokonolona eny amin’ireo Fokontany amin’ny Boriborintany faha-3 voakasiky ny fandravana trano, amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Madarail.

 Taloha dia tsy maintsy nohajaina tsy azo elingelenina amin’ny asa fanorenana ny 3 metatra amin’ny andaniny roa amin’ny lalamby. Ankehitriny dia miampy 7 metatra, indray io izay mitarika avy hatrany amin’ny fandravana trano sy famindran-toerana andri-jiron’ny Jirama ihany koa. Efa nisy famoriana mahakasika izany natao tamin’ny zoma 02 septambra teo. Tsy manda ny fanatanterahana io tetikasa io ny mponina manamorona iny lalamby iny, na izany aza dia hentitra izy ireo nilaza fa tsy hiala raha tsy homena tany izay efa misy trano eo amboniny arahin’ny taratasy ara-dalàna fizakana azy mialoha ny hanesorana azy ireo amin’ny fonenany ankehitriny. Ankoatra izay dia takian’ireto Fokonolona ireto koa ny hiantohana ny fananany nosimbaina, noho ny fandravana natao. Noraketin’izy ireo an-tsoratra moa izany ary dia nalefa any amin’ireo ministera voakasika mivantana amin’ity tetikasa ity ary koa ny fiadidiana ny FAT.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT