Actualités

Fandravana fambolena ao Ivato Tsy eken’ny mponina na dia hananganana « gymnase » aza


  • Talata 04 Oktobra 2022

Tezitra avokoa ary nilanja sora-baventy nivoaka ny tokantranony ireo mponina sasany teny Ivato omaly.

Ho an’ny ASAMI.AI na Association des Anciens Militaires Agriculteurs Ivato manokana dia tsy eken’izy ireo ny hananganana foto-drafitrasa vaovao toy ny gymnase kasain’ny Fitondram-panjakana hatao eo amin’ny tanin’izy ireo. Nandritra ny 38 taona mantsy no efa nanajarian’izy ireo io tany io (1984-2022) ka tena miantoka feno ny velon-tena hataony tokoa izany. Raha araka ny feo ren’izy ireo dia tsy maintsy horavana mihitsy ilay fambolena ary hananganana trano eo ambonin’ilay tany.Maro ny tany malalaka azo hanaovana izany eny Ivato hoy izy ireo ka tsy tokony kitihina mihitsy izay miantoka ny fiainan’ny vahoaka tahaka izao. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa tsy sakana ho an'izay foto-drafitrasa hatsangan’ny fitondrana izy ireo saingy kosa tsy tokony hatao eo amin'ny taniny izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika nataon’ny mponina omaly teny Ivato
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT