Actualités

Fandraofana ny fako Nahazo fiara lehibe iray ny kaominina


  • Zoma 09 Desambra 2022

Tena mihavosa ny fako eto an-drenivohitra. Noho ny tsy fahampian’ny kamiao sy ny vola eo am-pelatanan’ny kaominina sy ny orinasa SMA no voalaza fa anton’izany.

Ho an’ny tetsy amin’ny tsenan’Anosibe manokana dia nisy ny fandraofan’ireo mpivarotra sy fokonolona tsikelikely izany tamin’ny sarety enti-tanana ho fisorohana ny aretina tsy hiparitaka. Tonga nanolotra fiara lehibe iray hampiasain’ny kaominina araka izany omaly ny Fondation VISEO. Raha araka ny fantatra dia hoentina hanampiana ny kaominina Antananarivo amin’ny fitantanana sy fandaminana ny fako eto an-drenivohitra ary hamenoana ireo fitaovana fampiasan'ny SMA no anton’io fanomezana io.Nanolotra solosaina miisa 42 ho an'ireo boriborintany enina ihany koa ny Fondation VISEO, hahafahana manamora ny fikarakarana ny fomba fitantanan-draharaha ho an’ny mponin’Antananarivo ary hirosoana tsikelikely any amin’ny nomerika sy ny informatika. Nankasitraka feno izao fihetsiky ny Fondation Viseo izao araka izany ny Ben’ny tananan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina ary nambarany fa mavesatra sy mankadiry ny andraikitry ny kaominina noho izany ilaina ny fifanomezan-tananan’ny rehetra tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay kamiao handraofana fako
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT