Actualités

Fandrakofana ala an`i Madagasikara Hatomboka ny alakamisy izao ny “Agora”


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Mandroso ny fanomanana ny fanombohan’ny tetikasa « Agora des Paysages et des Forêts »,

 

 

 

 

izay ho atao ny 28 janoary ho avy izao, hoy ny INDRI (Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l`Innovation). Nihaona tamin’ny mpisehatra efa mihoatra ny 40 izy ireo tao anatin’ny volana vitsivitsy ka nahafahana nanangona ny hevitra sy ny tolo-kevitr'izy ireo izany. Marihana fa anisan` ireo mpisehatra ny minisiteran` ny tontolo iainana, ny minisiteran` ny toekarena sy ny vola ary ireo sampandraharaham-panjakana samihafa… Tsapa fa vonona ny hanolo-tena ho an’ny fahombiazan’ny fandrakofana ala ny firenena ireo mpisehatra ireo, hoy ny fampitam-baovao. Tanjon` ny « Agora » dia ho fanampiana ny fampiroboroboana ny marimaritra iraisana malagasy sy hanamorana ny fahombiazan’ny fandrakofana ala ny firenena, ary ho fanohanana ny ezaky ny tompon'andraikitra tsirairay sy ny mpisehatra rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT