Actualités

Fandraisana mpiasan’ny “Douanes” Fanadinana nisavoritaka


  • Sabotsy 30 Jolay 2016

Maro ny fanadinam-panjakana teto amin’ny tany sy ny firenena fa tsy mbola nisy toy ity. Savoritaka ambony ambany.

Ny tena loza dia fanadinana hidirana ho mpanara-maso ny fadintseranana, ain-dehiben’ny fampidiran-ketra eto amin’ny firenena no nibaribarian’ilay fahagoragorana.

Fahatarana adiny 4

Ho an’ny teto Antananarivo manokana, raha tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no nanombohan’ny fanadinana dia nampisahotaka ireo mpiadina tamin’ny foibe sasany ny resaka tsy fahampian’ny laza adina ka nanjary tamin’ny 11 ora antoandro vao tena nanomboka. Teny amin’ny lisea maoderina Ampefiloha indray moa dia naharenesana fa nisy nanomboka ny fanadinany 30 minitra nialoha ny rehetra. Anton’ny fahatarana raha ny fanazavana azo dia hoe nisy olana ilay milina (imprimante) mamoaka ny taratasina laza adina. Teraka ny ahiahy fa mety nisy ny laza adina tafaporitsaka sy tafavoaka.

Nipaka tany amin’ny faritra

Tsy ny teto ihany fa hatrany amin’ny faritany toa an’i Toamasina sy Mahajanga dia naharenesana tatitra fa nitsingalam-boangidina noho izay toe-java-nisy teto Antananarivo izay. Tao Toamasina, izay tamin’ny 11 ora sy sasany vao nanomboka ny fanadinana izao dia nolazaina ho anton’io fahatarana adiny 4 io ny faharenesana fiporitsahana laza adina tao Fianarantsoa kanefa dia araka ny loharanom-baovao heno tany an-toerana na teo aza izany, tsy novaina akory ny  laza adina fa ny teo ihany no teo.

Niasa nalalaka ny tambajotran-tserasera

Nisy mpanala fanadinana avy any Mahajanga aza moa dia mbola nahatatitra fa tamin’ny 7 ora sasany vao naneno ny lakolosy fiantsoana anarana raha tokony ho tamin’ny 7 ora. Minitra vitsy taorian’izay rehefa avy naneno koa ny lakolosy fizarana laza adina sy ny lakolosy fanombohana ny fanadinana ka efa nanomboka nikatroka ireo mpiadina dia nisy lakolosy naneno tampoka indray nampandre fa diso ilay lakolosy fiantsoana anarana teo ka averina tsy jerena daholo indray aloha ireo laza adina rehetra. Nandeha indray ilay lakolosy 3 toy ny teo ka rehefa naverina ilay fanadinana dia mbola nisy filazana indray 10 minitra taty aoriana fa ajanona ny fanadinana satria mbola tsy nanomboka ny taty Antananarivo. Tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora sasany vao tapitra izany, hoy ity mpiadina ity, vao nanomboka sy nifarana ny fanadinana tany an-toerana saingy tao anelanelan’izany dia efa nijery ny valin’ny laza adina tanaty tambajotran-tserasera tamin’ny finday avokoa ny ankamaroan’ireo mpiadina. Marihina moa fa maherin’ny 30.000 ny isan’ireo mpiadina amin’ity fifaninanana ity kanefa dia novinavinaina ho 280 ny fetran’ny mpiadina tokony ho afaka.


Faralahimatoa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT