Actualités

Fandraisana mpiasam-panjakana Nanjakan’ny kolikoly tamin’ny 2010 !


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Mazava ny tatitry ny Bianco na ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly fa dia nitombo ny trangana kolikoly sy risoriso tamin’ireo fanadinana fifaninanana mba handraisana mpiasam-panjakana ambony tamin’iny taona 2010 iny raha ampitahaina ny tamin’ny teo aloha rehetra hatramin’izay nijoroan’ity sampandraharaha ity.

Voakasika manokana amin’izany ary nahazoana fitoriana sy fitarainana ny fanadinana hidirana eny amin’ny ENAM Androhibe sy ny ENMG etsy Tsaralalana. Tsy midika anefa izany, hoy ny avy ao amin’ny Bianco fa hoe tsy nisy mihitsy ny kolikoly tany aloha, na hoe tena niakatra be ny salanisa tamin’ny 2010, fa ny hita fotsiny dia manomboka sahy miteny ny zava-misy sy mitory ary mametraka fitarainana ny olona amin’izao fotoana fa tsy niafiafy sy tsy niteny tahaka ny tany aloha.

Efa nisy foana io risoriso amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana ambony io, saingy izao vao maro ny sahy manambara izany any amin’ny Bianco. Raha izay no dinihana dia misy olona tafiditra eny amin’ireo ivotoerana fanofanana mpiasam-panjakana ambony no nanao kolikoly sy risoriso. Maro no manahy satria rahatrizay ka mahazo toerana sy mitana andraikitra ambony izy ireo dia mety mbola ho tafalatsaka ihany ao anatin’ity fomba ratsy amin’ny fanaovana kolikoly ity, ka hobaikon’ny vola fa tsy hobaikon’ny tombontsoam-pirenena.

Tsara homarihana fa anisan’ny mampitaraina ny olona ny kolikoly eny amin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary any amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny ladoany, ny hopitalim-panjakana. Maro be ihany koa ieo mpiasa tsotra sy tompon’andraikitra ambony any anaty ministera any no mahazo vola be amin’io resaka kolikoly io, ka mampalaza ratsy ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny eto amintsika. Fa ny tena marina ihany koa dia maro ihany ireo nanararaotra ny fisian’ny krizy teto amin’ny firenena tato anatin’ny roa taona mahery izao ka nampahazo vahana indray ny kolikoly, manantena ny rehetra fa ho sahy hanao ny asany, araka ny fahefany sy ny lalàna ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ka tsy hisorona amin’ny fanadihadiana nataony ary tena hamoaka ny marina rehetra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT