Actualités

Fandraharahana Tohana ny vahiny, semporina ny Malagasy


  • Talata 26 Jolay 2016

Delegasionina mafonja avy amin’ny governemanta notarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier nahitana minisitra maventy 5 :

Narson Rafidimanana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fotodrafitrasa ary ny fanajariana ny tany, Tazafy Armand minisitry ny varotra, Chabani Nourdine miandraikitra ny indostria, Maharante Jean de Dieu minisitry ny asa sy ny asam-panjakana no tonga tany Antsirabe ny sabotsy lasa teo nanatrika ny lanonana fanolorana mariboniahitra ireo mpiasan’ny Cotona 258 mianadahy.

Fifaninanana tsy ara-drariny

Efa fomba mahazatra ny fankasitrahana ireo miasa nahavita be fa ny nampiavaka ity lanonana ity dia ny fankasitrahan’ny fanjakana ny asa ataon’ny Cotona ao anatin’ny Groupe SOCOTA izay teratany Karana ary manana zom-pirenena Frantsay ankoatry ny maha malagasy taratasy azy no tompony. Fantatra ihany koa izao fa hanohana ny asan’ny Cotona ny fitondram-panjakana amin’ilay tetikasa goavana hamokatra legioma sy voankazo amidy eto Madagasikara no sady aondrana any ivelany. Tsy mionona intsony amin’ny famokarana lamba izany ny Cotona fa hiditra ihany koa amin’ny fambolena ka velaran-tany 6000 Ha no kasaina ampiasaina amin’izany. Hiampy 75 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ity orinasa ity manomboka izao ka ny 35 tapitrisa dolara atontona amin’ny fambolena sy fanodinana ny legioma sy voankazo raha toa ka hanatsarana ny asa momba ny lamba ny 40 tapitrisa dolara ambiny. Mahafinaritra ny tahaka izao, hoy ny praiminisitra satria fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Mety izany ny afera ho an’ny Cotona ary azo antoka fa hiroborobo sy tsy ho semban-drahona satria ny fitondram-panjakana mihitsy no manolo-tanana ho azy. Etsy an-kilan’izay, orinasa Malagasy efa nisehatra ny resaka Agribusiness koa ny Tiko manana ozinina goavana any Antsirabe, Toamasina, Antananarivo…saingy ankoatry ny fanapotehana azy tamin’ny 2009 dia tratran’ny antsojay amin’ny resaka hetra sy fingampingana isan-karazany ihany koa amin’izao fotoana. Tsy azo ifampiraharahana ny fanjakana fa manizingizina mitaky vola an-jatony miliara Ariary amin’izany orinasa Malagasy izany. Ny fanagiazana ny tanin’ny Tiko moa dia efa io iaraha-mahita io eny Andohatapenaka sy Ankorondrano. Tsy takona hafenina ny kajy eto fa omena sehatra malalaka ivelarany ny orinasa tantanan’ny vahiny tahaka ny Groupe Socota mba ho mpifaninana matanjaka hanempotra ny orinasa Malagasy tahaka ny Tiko. Omena tombon-dahiny ilay orinasa vahiny izay efa matanjaka sy be vola ka na raikitra aza ny fifaninanana avy eo dia tsy ara-drariny ary tsy maintsy ho sahirana ilay orinasa Malagasy. Zavatra efa mampitaraina ny mpandraharaha Malagasy io, saingy be marenina aloha hatreto ny mpitondra satria mety efa tsara karakara any ambadika any angamba.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT