Actualités

Fandraharahana saribao Gejain’ny Sinoa ihany koa ?


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Nanahirana tokoa ny fitadiavana arina fandrehitra tao anatin’ireny vanim-potoanan’ny ny krizy lavareny ireny, hoy ireo mpaninjara.

Tsy nitsaha-nisondrotra rahateo ny vidin-tsaribao nanomboka ny taona 2014. Nosandaina 15.000 ariary mantsy ny gony iray ny volana jonan’io taona io. Niakatra 18.000 ariary izany 12 volana taty aoriana. Mahatratra 20.000 ariary hatramin’ny 25.000 ariary kosa ny gony amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana. Misedra olana tokoa amin’ny halafosan’ity vokatra fototra fampiasa ao an-tokantrano ity ankehitriny ny 80%-n’ny Malagasy. Tena mitaraina ihany koa anefa amin’ny tsy fisian’ny entana ireo  mpivarotra mivelona amin’io sehatra io. Tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny tsy fahitana saribao na koa ny mahatonga ny vidiny ho midangana be tahaka izao. Tsy mahagaga raha miaina ao anatin’ny honohono sy ny tsaho ny fiarahamonina satria tsy misy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny mpitondra fanjakana satria milamina amin’ny fampiasana fatana gazy sy mandeha herinaratra. Fehezin’ny vahiny sinoa ihany koa tahaka ireo sehatra harena ankibon’ny tany samihafa moa ny fandraharahana saribao eto Madagasikara, araka ny feo mandeha.


Nangonin-dRamano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT