Actualités

Fandraharahana ny fonja Mpiambina 2 naato, 1 hafa nampidirina am-ponja


  • Talata 03 Aogositra 2021

Tao aorian'ny fanadihadiana lalina dia mpiandry fonja miisa 2 tao Betroka no tsy maintsy naato amin'ny asany ka ny 1 amin'izy ireo dia notanana am-ponja vonjy maika mihitsy.

Voarohirohy izy ireto fa nisy ifandraisany tamin'ny fandosiran'ny gadra miisa 3 tao amin’ny fonja ao an-toerana ny 16 jolay lasa teo. Gadra izay misazy gadra mandram-pahafatiny noho ny famonoana depioten'Amboasary Atsimo tao Tsivory ny taona 2013. Araka ny loharanom-baovao voaray tamin'ny fianakaviana mpitory dia efa misy herinandro talohan'io fotoana io no efa tsy tao am-ponja intsony ireto farany nefa tsy nisy fanambarana nataon'ireo mpiandry fonja tamin'ireo tomponandraikitra tandrify izany eto Betroka ka mbola tsy hita hatramin'ny ora nanoratanay. Amin'ny maha gadra mandram-pahafaty azy ireto dia misy taratasy milaza fa tsy tokony hivoaka ny fonja mihitsy izy ireo na inona antony na inona saingy dia voalaza fa nentin'ny mpiandry fonja nivoaka mba hiasa hanamboatra biriky izy ireo tamin'io andro voalaza teo io ka nandositra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray farany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT