Fandraharahana

> Misokatra any Antsiranana ny La Gastronomie Pizza


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Taorian'i Toamasina, Mahajanga, Antsirabe, ary Antananarivo dia hanitatra ny ambaindainy ao Antsiranana ny orinasa La Gastronomie Pizza ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.

Hisokatra manomboka anio zoma 09 aogositra ity masoivohony vaovao. Ankoatra ireo karazan-tsakafo nahafantarana ny La Gastronomie Pizza hatramin'izay toy ny pizza, ny gilasy, ny ranomboakazo, ny endy ovy... dia anisan'ny hampiavaka ity ao Antsiranana ity ny fisiana sakafo nahandro malagasy sy eoropeana. Manaram-penitra tanteraka ny fitaovana hampiasaina amin'izany raha araka ny fanazavan'ny tale ara-barotra, Rakotondrainibe Yvan Landry no sady ekipa efa za-draharaha avy amin'ireo toerana efa misy ny orinasa avokoa no hampiofana ireo ekipa vaovao manodidina hiasa ao Antsiranana. Nisy indray araka izany ny fanomezana asa nataon'ity orinasa ity ireo tanora Malagasy izay marihina fa mbola betsaka tokoa ny manana olana amin'izao fotoana. Any Toliara indray moa raha araka ny fantatra no hanitaran'ny orinasa La Gastronomie Pizza ny ambaindainy amin'io taona ho avy io ary hitondrany ireo karazam-bokatra nahafantarana azy hatramin'izay.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT