Fandraharahana

> Ampirisihina ny tanora


  • Alakamisy 13 Martsa 2014


Toy ny mahazatra dia mikarakara fifaninana ho an’ireo tanora mpandraharaha toy ny lehibena orinasa indray ny banky BNI Madagascar amin’ity taona 2014 ity. Voakasik’izany manokana ireo latsaky ny 40 taona mba hahafahany mampivoatra hatrany ny asa fandraharahana hataony. Azo aterina eny amin’ny banky BNI ny taratasy fandraisana anjara amin’izany fifaninana izany hatramin’ny 31 mey ho avy izao, raha araka ny fanazavana azo. Anisan’ny hojerena amin’ireo mpandray anjara ny lalana efa nodiaviny tamin’ny asa fandraharahana, ny finiavana ananany, ny tetikasa… izay tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny sosialy sy toe-karena eto amintsika. Anisan’ny hitsara ao anatin’izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny banky BNI, solontena avy amin’ny praiminisitra lefitra misahana ny toe-karena sy ny indostria, mpanao gazety ara-toe-karena iray…Natao ho an’ny mpandraharaha rehetra manerana ny Nosy ity «Trophée du Jeune Entrepreneur 2014» ho tombontsoan’ny rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT