Actualités

Fandraharahana Anjakan’ny Sinoa ny seha-pihariana lehibe rehetra


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Laharana faharoa amin’ireo firenena manankarena indrindra eran-tany aorian’i Etazonia i Sina amin’ny sehatry ny harinkarena faobe.

 Nihoarany ry zareo Japoney noho ny firoborobon’ny seha-pihariany izay mahatratra 10% isan-taona. Ny sehatry ny fanodinana moa no tena mampatanjaka azy ireo. Mielipatrana maneran-tany ny entana sy ny orinasa sinoa. Mamahatra mafy aty Afrika ry zareo ka tsy diso anjara amin’izany isika. Mampiavaka ny fanjakana Sinoa ny fiaraha-miasany amin’ny mpitondra mpanao didy jadona na koa tsy ankatoavin’ny firaisambe iraisam-pirenena. Manatanteraka fotodrafitrasa goavana any Soudan ry zareo ary miara-miasa amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita koa na dia tsy manao fanambarana ofisialy aza. Misy tambiny avokoa anefa ny fanampiany ka tsy mahagaga raha azon’ny orinasa Wisco ny fitrandrahana vy ao Soalala. Miisa 48 ny orinasa sinoa miasa eto Madagasikara ary misy azy ireo avokoa ny sehatra rehetra.

Ny BICM eo amin’ny sehatry ny banky, ny Sinohydro amin’ny rano, Sogecoa amin’ny taotrano sy fotodrafitrasa vaventy, ny Maloci mpanao simenitra, ny Sucoma amin’ny famokarana siramamy ary Somapeche izay miasa amin’ny sehatry ny jono sy hazan-dranomasina any Mahajanga. Ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany kosa no tena maro orinasa sinoa satria misy sivy izy ireo raha misy roa hafa mitrandraka solitany dia ny BGP sy ny YAPEC Madagasacar.

Misy orinasa roa hafa koa mampiasa vola amin’ny fifandraisan-davitra, anisan’ireny ny Huawei. Nandritra ny fihaonan’ireo fikambanana sy orinasa sinoa miasa eto Madagasikara teny amin’ny hotely Paon d’Or ny alahady hariva teo no nanambaran’i Zhou mpanolotsaina ara-teknika eo anivon’ny masoivohon’i Sina fa «miasa miaraka amin’ny Malagasy izy ireo ary mikatsaka tombontsoa ho an’ny roa tonta. Finamanana rahateo no lohahevitra nobanjinina nandritra ny fotoana”. Milaza ho vonona hanaraka ny lalàna misy eto amintsika ny solontenan’ireo mpandraharaha raha faniriany kosa ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny varotra eto Madagasikara. Mihevitra koa izy ireo fa mila dinihina indray ny lalàna mifehy ny asa, ny fifanakalozana, ny lalàna mifehy ny fadintseranana, ny lalàna momba ny fivarotana harena ankibon’ny tany ary ny lalana mifehy ny orinasa afaka haba.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT