Nanao rodobe tao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana ireo minisitra zanak’i Toamasina, nahitana an’i Pierrot Rajaonarivelo, Yvette Sylla, Elysée Ratsiraka ary ny jeneraly Rajaonarison Pascal Jacques, niaraka tamin’ny kaomiseram-pifidianana Me Maria Raharinarivonirina.
Nijery sy nanara-maso ny fandrafetana ny lisi-pifidianana no nataon’izy ireo. Araka ny tatitra omaly, izay mbola mampisalasala aloha hatreto raha ny fahamarinany saingy sarotra ny fanaovana fanamarinana, dia nahatratra 98,99% ny an’i Toamasina I, 80% ny ao Fenoarivo Atsinanana sy Alaotra, 70% ny ao Soanierana Ivongo sy Vavatenina, efa 100% kosa ny an’Anosibe an’Ala, Moramanga ary MAVAM. Ny an’ny faritra Ambatosoa sy Sainte Marie dia eo an-dalana ho ao amin’ny CIR Analanjirofo kosa ny lisitra. Nohamafisina koa fa tsy maintsy ho tratra ilay datin’ny 28 jolay hifaranan’ny fanotana ny lisitra ary ny famoahana azy eny anivon’ny Fokontany ny 31 jolay. Maro anefa ny olana hita. Ao Analanjirofo, ohatra, izao dia miaina ao anatin’ny delestazy efa ho folo andro eo izao. Miverimberina koa ny olana ara-bola sy tambin-karama izay fandrisika ho an’ireo mpiadidy fifidianana, manginy fotsiny ireo fitaovana simba, ny tsy fahampian’ny FRE na fisy fanisam-bahoaka, toy ny nitranga tao Toamasina I. Araka ny fantatra koa dia betsaka ny anarana miverimberina. Baiko moa no nataon’ireo minisitra tao Toamasina ireo, fa tsy maintsy hajaina ny daty nomen’ny FAT sy tsy maintsy madio (?) ny lisitra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.