Araka ny nolazain'i Filohampirenena, Andry Rajoelina, dia tena manan-danja sy sarobidy ho an'ny firenentsika ny fikarohana momba ireny raokandro
malagasy sy zavamaniry ananantsika marobe ireny ka manampy ny vahoaka malagasy amin'ny ara-pahasalamana, hoy ny tatitra nataon’ny minisitry ny tontolo iainana omaly, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Mankasitraka azy manokana izahay eto amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy tamin'ny nanomezany toky fa hampiana ary homena sehatra ny vokatra Ed1 rehefa avy mahafeno ny fepetra rehetra ara-tsiansa takian'ny fenitra ara-pahasalamana sy ara-barotra, ao anatin'izao tolona atrehantsika izao. Ankoatra ny maha loharanom-pahasalamana azy ireny dia loharanon-karena ny zava-maniry maro misy eto amintsika ary tokony harovana sy ho kolokoloina. Ny fandorantsika ny ala sy ny faritra arovana eto Madagasikara dia mitovy amin'ny fandoroana ny banky satria dia ireo tokoa no banky voalohany ananantsika ary voajanahary. Ny ankamaroan'izy ireny rahateo dia tsy manam-paharoa fa isika irery ihany no manana azy manerana izao tontolo izao. Koa aoka isika ho sarotiny tompokolahy sy tompokovavy, hoy hatrany ny minisiteran’ny tontolo iainana na MEDD.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.