Actualités

Fandorana taratasin-gabone nitera-doza May ny trano 15, sprinter 1, kisoa 70


  • Talata 12 Oktobra 2021

Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao amin'ny Fokontany Ankaraobato kaominina ambonivohitr’Ambatoboeny omaly tamin’ny 10ora maraina teo.

 Trano miisa 15 no lasibatra, olona 96 arak'izany no tsy manan-kialofana, sprinter 1 no nirehitra, kisoa 70 mahery no may,... araka ny vaovao avy any an-toerana. Voalaza fa afo tsy voafehin’ny ramatoa iray nandoro taratasy tao amina kabone iray no nihavian'ny afo nahatonga izao tranga izao. Efa nanao ny ezaka ihany ny mpiara-monina tamin'ny famonoana ny afo saingy ny rivotra manao ny ataony d nanano sarotra ihany ny fanakanana azy. Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny tombam-bidin'ireo entana may tao amin’izany fa mbola eo hampanaovana ny fanadihadiana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy ny naratra. Manao antso vonjy amin'ireo malala-tànana sy manam-pahefana izy ireo noho izany mba hijery haingana ireo tsy manan-kialofana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT