Actualités

Fandoavan-ketra Olan’ny tantsaha ny tahotra higadra


  • Alakamisy 25 Febroary 2021

Raha 240.000 hatramin’ny 260.000 ariary teo ny kilaon’ny lavanilina maitso teo

 

 

 

aloha dia tafidina hatrany amin’ny 60.000 ariary izany tamin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa mpampiofana tantsaha momba izany, Nantsoina Rakotozanany. Ny tsena iraisam-pirenena mihitsy no nahatonga ilay fitotonganana fa tsy ny tsena anatiny. Olana amin’ireo miatrika fanofanana eo amin’ity fihariana ity ny tahotr’izy ireo ny higadra raha toa ka tsy mahaloa izay hetra izay. Hita ho tarazon’ny fanjanahantany io satria rehefa tsy mahaloa hetra isan-dahy taloha dia migadra. Zava-dehibe ny fanabeazana ara-ketra ilazana hoe tsy misy fanagadrana ny tsy fandoavana hetra nefa adidy masina eo amin’ny firenena. Mila hazavaina amin’ireo tantsaha ireo karazan-ketra mila alohany sy ny fomba fikajiana azy. Ohatra hoe manana 100 ariary ianao dia mandoa 5 ariary any amin’ny fanjakana. Ny ariary 4 amin’iny mety hanaovana hopitaly. Ny ariary hanaovana lalana ary rehefa hitan’ireo tantsaha mivaingana izay dia mazoto handoa hetra izy. Ahitana izany ao amin’ireo kaominina nahavita fotodrafitrasa mivaingana ao SAVA. Misy ny nahatsangana tranom-pokonolona, CSBII, nahavita lalana ary izany no tena fampandrosoana ifotony, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT