Actualités

Fandoavan-ketra Hoterena ireo tsy mahefa adidy


  • Talata 21 Jona 2011

Hohatsaraina araka izay tratra ny fampidiran-ketra kanefa tsy ampitombina ny tahany na koa misy ny fampidirana karazan-ketra vaovao.

 Fepetra maro no horaisin’ny sampandraharahan’ny hetra hanatrarana io tanjona io. Tsy maintsy ampiharina ny fananana faktiora amin’ny fividianana entana ambongadiny ataon’ny mpaninjara izay niteraka resabe ary tsy mbola ankasitrahan’ireo voakasika mivantana hatramin’izao. Hamafisiny koa ny fanaraha-maso ny entana tsy misy taratasim-barotra ka hiara-kiasa amin’ny fisavana ireo fiara mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-2, faha-4 ary faha-7 ny zandary.

Nambaran’i Tazafy Armand, Tale jeneralin’ny hetra koa fa hirosoana ny “recouvrement forcé”, izany hoe ny fanerena handoa hetra ho an’izay tsy manefa ny adidiny mba hanadiovana tanteraka ity sehatra ity. Hovatsiana fitaovana mamantatra ny vola sandoka ireo ivon-ketra sy foiben-ketra rehetra ankoatra ny fanofanana omena ny mpiasa. Tohizana ankoatra izay ny “NIF on line” satria maro ireo orinasa tsy nahavita nanavao ny laharany sy ny karany. Manentana ireo tara, araka izany, ny tomponandraikitra mba hamita ny azy haingana. Ho an’ny mpandoa hetra tsotra kosa dia hisy ny fampahafantarana azy ireo ny fomba fikajiana ny hetra aloany araka ny fanazavan’ny tale jeneraly hatrany. Anisan’ny mahatonga ny fitsoahana adidy tokoa mantsy ity toejavatra iray ity. Farany dia neken’ny sampandraharahan’ny hetra ny fangatahan’ny GEM sy ny SIM momba ny fanavaozana ny fahazoan-dalana ho an’ny mpamongady. Ny fanambarana hetra ihany dia ampy fa tsy mila manao fangatahana vaovao intsony ary tsy ilaina koa ny “casier judiciaire” sy ny “PV de constatation”.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT