Actualités

Fandikan-dalŕna Mampihemotra sy mampahantra an’i Madagasikara


  • Zoma 27 Mey 2016

Endrika ivelany fotsiny hatramin’izao ny fanjakana ara-dalŕna misy eto Madagasikara

 

. Mbola mitohy hatrany mantsy ny fandikan-dalàna nisy hatramin’ny fanonganam-panjakana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray. Tsy vitan’ny manitsaka ny Lalàna fototra ireo mpitondra fanjakana mijoro taorian’ny fifidianana fivoahana amin’ny krizy ny faran’ny taona 2013 fa manao tsinontsinona ihany koa ny fifanarahana politika dia ny tondrozotra voasonia ara-dalàna efa neken’ny firenena Malagasy ho lalàna velona teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisampirenena. Misy akony amin’ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny rahateo io tsy fanarahan-dalàna mampalaza an’i Madagasikara sy ny mpitondra mahefa ao aminy nanomboka ny taona 2009 io, hoy i Gaby Vakiniadiana. Nihemotra be, ohatra, ny lafiny sosialy eto amintsika. Maimaimpoana mantsy ny toeram-pitsaboana tany amin’ny taona 1960. Sandaina vola kosa ankehitriny na dia ny fanafody fanasitranana aza. Efa mahantra fadiranovana ny mpiray tanindrazana nefa mbola vitan’ny manampahefana ihany ny misakana ny fisokafan’ny orinasa hampihena ny isan’ireo olona tsy an’asa eto Madagasikara.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT