‘
Hatramin'ny taona 2019 no mankaty dia olona 263 no voasambotra noho ny fandikan-dalana ara-tontolo iainana tao amin'ny faritra Boeny sy Betsiboka, araka ny fanazavan'ny talem-paritry ny tontolo iainana boeny sy Betsiboka
Andrianjafy Ihando Niaina. Ny 89% (233 teo) amin'izy ireo dia naiditra amponja vonjimaika mandrampiandry ny fotoam-pitsarana azy raha ny tarehimarika voaray tamin'ny faran'ny volana septambra. Tamin'ny taona 2020 sy 2021 dia ny fanaovana arina fandrehitra sy ny fanapahana hazo no mateti-pitranga. Miisa 65 ireo izy ireo no nosamborina no izany antony izany . Ny 46 kosa dia noho ny fanapahana hazo tsy aradalana. Ny 36 noho doro tanety sy doro ala. Ankoatra izay dia nisy 27 no voasambotra noho ny fitaterana vokatry ny ala tsy nahazoana alalana raha 12 no voasambotra noho ny tetik'ala niampy fandorana. Nisy 11 hafa noho ny haza sy jono tsy nahazoana alalana ary ny 2 farany dia noho ny fitazonana biby arovana. Ny 76% ny fandikan-dalana ara tontolo iainana ao amin'ny faritra Betsiboka sy Boeny dia ao anaty faritra arovana avokoa. Tafiditra ao anatin'ny fandikan-dalana ara-tontolo iainana ny fandorana ala. Raha ny tombana dia 3200 ha ny fahavoazana tao Ankarafantsika noho ny afo. 20% amin'io fahamaizana io no nahakasika ala. Tsy maintsy arenina avokoa ny ala simba rehetra ao anatin'ny ezaka fanamaitsoana an'i Madagasikara sy fandrakofana ala an'i Madagasikara ankoatra ny fambolen-kazo tanterahina amin'ny velaran-tany vaovao.
Natty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.