Miezaka mitady ny vahaolana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana manoloana ny tsy fitandremana ny Zandarimariam-pirenena ka natao ny zoma
lasa teo ny andrana ara-teknika teny amin’ny lalana By-pass ka nampiasana ireo fitaovana vaovao raitra entina misoroka ny lozam-pifamoivoizana. Radar de détecteur de vitesse sy ny alcotorche, izany hoe fitaovana fitsirihana ny hafainganam-pandehan’ny fiara sy mba hahafantarana raha toa ka mamo ny mpamily. Fiaraha-miasa avy amin’ny orinasa tsy miankina no nahazoana ireto fitaovana ireto. Ka haparitaka manerana ny nosy hampiasan’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana sy ireo tompon’andraikitra misahana ny fizahana ny fiarakodia na “visite technique”. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena amin’ny alalan’ny “Direction Générale de la Sécurité routière” no nanao ity ezaka teto an-drenivohitra ity. Natao izao ezaka izao mba entina hanentanana ireo mpamily hitondra ny fiara araka ny hafangainam-pandeha tokony ho izy, ary hisorohana ny fitondrana fiara anatin’ny hamamoana. Marihina fa ny zandarimariam-pirenena no nanao ny ezaka manokana hividianana ireo fitaovana ireo. Nandritra ny andrana dia hita fa samy nanao ezaka ireo mpamily nampihena ny hafangainam-pandehany. Aorian’izao andrana izao vao hiroso amin’ny fampiasana sazy tsy ho ela ny zandarimariam-pirenena. Ny antenaina dia ho hita isan’andro ny fitsirihana atao amin’ireto fitaovana ireto fa tsy hoe isaky ny faran’ny herinandro na isaky ny fety ihany, ary mba tena hiasa sy handray andraikitra marina ny zandary fa tsy ho sanatria horebireben’ny vola indray ka na misy olona voaporofo fa mandeha mafy sy mamo izao aza dia avotsotra satria nametraka kely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.