Tsy maintsy misy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ireo orinasa any ivelany hanafatra mpiasa malagasy hiasa any aminy sy ny mpandefa na ireo “agence de placement” eto amintsika manomboka izao raha mbola te hanohy ny asa nosahaniny hatramin’izay izy ireo
. Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny antontan-taratasin’izy ireo ny Minisiteran’ny fanofanana arak’asa sy ny fampianarana ara-teknika ankehitriny. Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo izany, ka ny 11 tamin’ireo 40 ihany sisa no tonga nanavao izany sy nahazo fankatoavana ho afaka hiasa mandritra ny roa taona. Niatrika fiofanana avy hatrany izy ireo, nampahafantarana ireo fepetra takian’ny fanjakana mba ho fiarovana ny zon’ireo mpiasa malagasy mankany ivelany, indrindra fa ny vehivavy, izay nahita faisana, na nitondra takaitra ny ankamaroany, ankoatra ireo namoy ny ainy. Ankoatra izay dia tsy maintsy miezaka ihany koa izy ireo mampianatra sy mamolavola ireo mpiasa malagasy, mba hahaizany ny fomba amam-panao sy ny fitenenan’ireo teratany vahiny hiasany, hisorohana ny olana mety hitranga eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany ireo firenena arabo toa an’i Arabie Saoudite.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.