Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly ny volavolana didim-panjakana mampiato ny fandefasana mpiasa Malagasy any amin’ireo firenena tsy azo antoka amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny zon’olombelona.
Araka ny tatitry ny filankevitry ny governemanta dia naato aloha ny fandefasana olona avy eto Madagasikara hiasa any amin’ireo firenena mampiahiahy, satria tsy nisy ny valiteny mazava sy mahafapo avy any amin’ireo firenena ireo, tamin’ireo fanosihosena ny zo fototry ny mpiasa. Efa tena maro tokoa mantsy ireo vehivavy Malagasy niasa tany Liban, Arabie Saoudite, Koweit no maty, niharan’ny herisetra sy fanolanana. Nisy ny nitondra takaitra ao no lasa tsy salama saina. Nangataka fanazavana tany amin’ireo firenena ireo ny anton’ireo tranga ireny ny fanjakana malagasy, saingy dia tsy nahazoam-baliny izany ka izay no nilatsahan’ny fanapahan-kevitra fa miato aloha ny fandefasana mpiasa any amin’ireo firenena Arabo tsy manaja ny zon’ny mpiasa sy ny zon’olombelona ireo. Andrasana ihany koa ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana momba ireo orinasa maro be maniry ohatry ny anana eto amintsika izay mandefa ireo vehivavy Malagasy hiasa any amin’ny firenena Arabo.
Peta-drindrina faran’ny tsotra kanefa mampilendalena ireo tsy an’asa no hita mameno an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy, tsy fantatra na manara-dalàna na tsia ireny orinasa kely ireny. Mandeha koa ny resaka fa tena varotr’olona amin’ny fomba mihaja mihitsy ity fandefasana mpiasa aman’arivony any ivelany ity ka mandray vola manodidina ny 3 ka hatramin’ny 10 dolara isaky ny mpiasa iray lasa, ireo lohandohan’ny mpisorona mangoron-karena amin’ity fandefasana mpiasa any ivelany ity. Tsy tokony hijanona eo amin’ny fampiatoana ny fandefasana ireo mpiasa fotsiny arak’izany ny resaka fa tena tokony hisy fanadihadiana lalina satria tambajotra matanjaka no ao ambadik’izy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.