Tsy mbola miverina tanteraka ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara.
Manahy mihitsy izy ireo ny amin’ny fahafahan’ny firenena malagasy mamerina ireo bolongam-bola nindraminy, raha ny fanazavan’ny masoivohon’ny Tahirimbola iraisampirenena miasa eto amintsika Patrick Imam tao amin’ny onjam-peo RFI. Miandry fanatsarana misimisy kokoa eo amin’ny lafiny hetra sy ny tetibola avy amin’ny mpitondra mahefa ny FMI, hoy ity tompon’andraikitra vahiny ity. Mizotra miadana ny fanavaozana saingy mailo ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola eo am-piandrasana ny tena fanarenana ny toekarena tena izy eto Madagasikara. Ampahany kely rahateo ilay 42,1 tapitrisa dolara mihoatra amin’ny fanampiana mitentina 220 tapitrisa dolara tafiditra ao anatin’ny «Facilité de Crédit Rapide». Natokana hanamafisana ny toe-bola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara moa iny maribola avy amin’ny FMI iny. Tsy misy izany aloha hatreto ny tetikasa fampandrosoana vatsian’ny FCR. Ny antony dia satria mandany vola ny fitondrana Rajaonarimampianina nefa tsy misy akony any amin’ny fiainana sosialim-bahoaka sy ny fampihenana ny fahantrana izany, araka ny fanamarihan’ny solontenan’ity mpamatsy vola iraisampirenena mipetraka eto Madagasikara ity. Fanampiana ara-bola FCR in-droa mitentina 47,1 tapitrisa dolara ny volana jona 2014 sy 42,1 tapitrisa dolara ny volana novambra 2015 niaraka tamin’ilay fandaharan’asa lasitra norefesina nanomboka tamin’ny volana septambra 2015 hatramin’ny volana martsa 2016 moa hatreto no azon’i Madagasikara tamin’ny FMI.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.