Actualités

Fandalovan’ny rivodoza Emnati Fokontany maro eto an-drenivohitra no tsy maintsy dibo-drano


  • Talata 22 Febroary 2022

Mampitainana ireo mponina izay mipetraka amin’ny toerana iva eto an-drenivohitra rehefa milatsaka ny orana indrindra amin’izao fandalovan’ny rivo-doza Emnatiny fiakaran’ny rano.

 Ireo lakan-drano sy ny arabe dia saika dibo-drano ary tafitra ao antrano mihitsy indrindra ireo manana trano eo amoron-dalana. Na efa miezaka manadio ny tatatra az ny fokonolona dia feno rano ihany. Ny kaominina izay efa manomboka tsy mahita ny fomba hanesorana ireo fako izay miteraka fahadoboana eny amin’ny fokontany amin’ny faritra iva eto Antananarivo. Amin’izao fandalovan’ny andro ratsy izao anefa dia efa azo antoka fa ho dobo indray ny faritra iva. Etsy ankilany ireo fako izay mitsikafona ambony rano izay fototra mampanjaka ny fahadoboana. Efa miomana amin’ny mety ho fikaran’ny rano ireo vahoaka amin’ny toerana misy ny rano mihandro izay efa lalina. Tonga hatrany foto-pehy ny rano rehefa tena latsaka mafy ny orana’. Olana izay tsy mbola nahitan’ny fanjakana sy ny kaominina vahaolana maharitra. Mampitaraina olona anefa izany. Ankoatra ny fiakaran’ny rano maloto ny fako izay hita anelakelan-trano dia hitarika ny fahadoboana , ny eny Andralanitra rahateo efa tsy mihoatra ny toeram-pako. Ireo tetezana izay handalovan’ireo renirano mamakivaky ny tanana dia efa hatahorana. Ny Bngc sy ny Apipa izay mampahafahantatra hatrany fiakaran’ny rano io. Raha jerena ireo voalaza dia sainy nihatra tamin’ny vahoaka eto an-drenivohitra tamin’ny fisian’ny andro ratsy nitondra rotsak’orana betsaka nahadobo toerana maro. Tsy mbola fantatra rahateo ny zavatra mety hiseho aorian’ny fandalovan’ilay andro Emnati eto Madagasikara androany talata 22 febroary raha ny vina ny sampana famantarana ny toetr’andro.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT