Actualités

Fandaharanasa sy drafitra fampandrosoana Ho diso anjara i Madagasikara


  • Alarobia 09 Aprily 2014

Tsy taitra, tsy maika kanefa tena tara ny mpitondra Malagasy vaovao miandrandra ireo fanampiana avy any ivelany raha izao fandehan’ny toe-draharaham-pirenena izao.

 Roa volana mahery mantsy izay no lasa nefa tsy mbola mijoro ihany ny governemanta ara-dalàna. Ireo fandaharanasa sy drafitra fampandrosoana anefa tsy afaka hiandry ny fitavozavozantsika, eny fa na dia efa mba mizotra amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna aza ny fitantanana ny firenena. Efa mihatra eto, ohatra, ilay paikadim-pirenena fanaingana amin’ny fampandrosoana izay raisin’ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana an-tanana.

Mbola fanontaniana mipetraka kosa hatreto ireo famatsiam-bola mikasika ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo andiany faharoa mila tratrarina amin’ny taona 2030, ny Tahiry Eoropeanina momba ny fampandrosoana na FED andiany faha-11 izay famatsia-bolan’ny taona 2014-2020 mitentina 600 tapitrisa euros. Eo ihany koa ny fandaharanasa famatsiana herinaratra vaovaon’ny filoha amerikanina Barrack Obama «Power Africa» tena ilain’ny firenena Malagasy izay ahitana bolongambola 9 arivo tapitrisa dolara. Ho diso anjara ihany i Madagasikara satria tena tsy ao mihitsy ny fahavononana sy ny finiavana ara-politikan’ny mpitondra sahy manapa-kevitra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT