Vita sonia ny sabotsy 05 aprily teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fandaharanasa Matoy sy ny Faritra Vakinankaratra ary ny OPCI.
Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa izay hiompana manontolo amin’ny lafiny fanofanana sy fanatevenana fahalalana ho an’ny mpitondra ny famatsiam-bola izay mitentina 117 tapitrisa Ariary ho an’ny Faritra ary 147 Tapitrisa Ariary ho an’ny OPCI Mazava sy ny OPCI Fandrosoana. Hisitraka fanofanana ihany koa ireo Kaominina miisa 14 ao amin’ny Distrikan’Antsirabe I, ao anatin’ireo OPCI roa ireo, ka ny tanjona dia ny fampandrosoana miainga hatrany ifotony amin’ny alalan’ny otrikarena sy ny hetra ao an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.