Tafiditra ao anatin’ireo vahaolana efa eritreretin’ny fitondrana tetezamita manoloana ny tsy fahafahan’ny fiaramanidina Boeing 667 an’ny Air Madagascar miditra any Eoropa ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fanofana fiaramanidina amin’ny orinasa Atlasjet.
Kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Tiorka izy io, mazava ho azy satria ny Frantsay sy ny Tiorka no tena mihazakazaka amin’ny fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ny FAT noho ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-bola andrandrain’izy ireo eto Madagasikara. Fiaramanidina Airbus A 330-200 no eritreretina hofaina amin’ity kaompania Tiorka ity. Tsy mbola fantatra mazava anefa hoe rahoviana no ho raikitra ny fiaraha-miasa fa ny efa fantatra fotsiny aloha, araka ny resaka mandeha, dia efa nisy ny fifampiresahana savaranonando teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary azo antoka fa tsy maintsy ho raikitra ny fifanarahana. Ny tsara ho fantatra momba ity Atlasjet ity kosa indray dia tamin’ny martsa 2001 izy no niforona ary any Istanbul Torkia no misy ny foibeny, manana sidina maromro isan-kerinandro mampitohy an’i Torkia amin’i Eoropa sy Kazaksthan ary Emirats Arabes Unis ny Atlasjet ary raha ny fanisana farany dia fiaramanidina folo mahery eo ahitana Boeing sy Airbus no ampiasainy.
Nanomboka tamin’ny 2006 dia misy orinasa roa goavana dia ny Groupe ETS (Tiorka) sy ny Groupe Oger (Frantsay) samy mitana 45% avy ny petra-bola ao amin’ny Atlasjet, midika izany fa manana tombontsoa betsaka ao ny Frantsay, izay manao izay mety ihany koa amin’ny fikarohana tombontsoa sy fananganana ary fividianana orinasa any Torkia any. Raha tsorina ny resaka dia ny anarana sy ny toerana misy ny foibeny fotsiny no ilazana fa avy any Torkia ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka hiara-kiasa amintsika atsy ho atsy ity, fa ny Frantsay ihany no tena ao ambadik’ilay izy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.